Ohabolana 13:16-20 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;

17. Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.

18. Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.

19. Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy.

20. Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.

Ohabolana 13