13. Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14. Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15. Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
16. Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
17. Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
18. Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19. Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
20. Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
21. Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22. Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
23. Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24. Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25. Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26. Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
27. Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28. Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29. Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
30. Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31. Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.