Ohabolana 1:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;

13. Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;

14. Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:

15. Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;

16. Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drĂ .

17. Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.

Ohabolana 1