Nomery 9:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.

9. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.

11. Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.

12. Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

Nomery 9