Nomery 9:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:

2. Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.

3. Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.

4. Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.

5. Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.

Nomery 9