Nomery 5:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;

3. na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.

4. Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.

5. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

6. Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,

7. dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.

8. Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.

9. Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

10. Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

11. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

12. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,

13. fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;

14. kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;

15. dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.

Nomery 5