Nomery 4:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary hamelatra lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.

8. Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.

9. Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;

10. ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.

11. Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;

Nomery 4