32. sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33. Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34. Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
35. hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36. Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37. Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
38. Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39. hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40. izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41. Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.
42. Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43. hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44. izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45. ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
46. Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47. hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
48. izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.