Nomery 35:4-23 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.

5. Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.

6. Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.

7. Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.

8. Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.

9. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,

11. dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.

12. Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.

13. Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.

14. Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.

15. Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.

16. Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.

17. Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.

18. Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.

19. Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.

20. Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,

21. na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.

22. Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,

23. na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,

Nomery 35