1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
2. Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3. Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.