13. Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
14. fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
15. dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
16. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17. Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.
18. Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
19. Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
20. ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
21. ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;
22. ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;
23. ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda;
24. ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;
25. ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
26. ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;
27. ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;
28. ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.
29. Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.