1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2. Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3. Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,