8. Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
9. Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10. Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
11. Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12. Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.