Nomery 33:54-56 Malagasy Bible (MG1865)

54. Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.

55. Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;

56. ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

Nomery 33