44. Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
45. Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
46. Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
47. Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo.
48. Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
49. Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
50. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
51. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo,
52. dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
53. dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.