Nomery 33:34-44 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.

35. Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.

36. Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).

37. Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.

38. Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.

39. Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.

40. Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.

41. Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.

42. Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.

43. Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.

44. Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.

Nomery 33