Nomery 33:30-42 Malagasy Bible (MG1865)

30. Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.

31. Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.

32. Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.

33. Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.

34. Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.

35. Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.

36. Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).

37. Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.

38. Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.

39. Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.

40. Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.

41. Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.

42. Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.

Nomery 33