3. Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
4. Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
5. Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6. Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
7. Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.
8. Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
9. Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10. Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
11. Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12. Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
13. Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14. Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
15. Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
16. Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.