Nomery 33:25-40 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.

26. Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.

27. Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.

28. Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.

29. Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.

30. Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.

31. Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.

32. Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.

33. Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.

34. Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.

35. Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.

36. Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).

37. Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.

38. Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.

39. Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.

40. Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.

Nomery 33