13. Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14. Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
15. Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
16. Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17. Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
18. Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
19. Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
20. Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
21. Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
22. Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.