1. Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
2. Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
3. Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.