Nomery 32:31-39 Malagasy Bible (MG1865)

31. Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:

32. Izabay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.

33. Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana dia ny tany mbamin'ny tanànany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.

34. Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera

35. sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha

36. sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.

37. Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima

38. sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.

39. Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

Nomery 32