27. ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;
28. kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
29. ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.
30. Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
31. Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32. Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
33. sy omby roa arivo amby fito alina,
34. sy boriky arivo amby enina alina,
35. ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
36. Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
37. ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
38. Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo.
39. Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.
40. Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo.
41. Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
42. Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika