11. Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
12. ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
13. ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
14. Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.