Nomery 28:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i ka nanao hoe:

2. Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.

3. Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva

4. (ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),

5. ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.

6. Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

7. Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.

8. Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

Nomery 28