Nomery 27:2-7 Malagasy Bible (MG1865)

2. dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:

3. Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.

4. Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.

5. Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.

6. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

7. Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.

Nomery 27