Nomery 27:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.

13. Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;

14. fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

15. Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:

16. Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

17. ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.

18. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;

19. ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.

20. Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.

Nomery 27