Nomery 26:29-42 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.

30. Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;

31. ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;

32. ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.

33. Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.

34. Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.

35. Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.

36. Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.

37. Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.

38. Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;

39. avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.

40. Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.

41. Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.

42. Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony.

Nomery 26