5. Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.
6. Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.
7. Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8. Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?
9. Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
10. Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11. Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.