Nomery 22:28-41 Malagasy Bible (MG1865)

28. Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?

29. Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.

30. Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.

31. Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.

32. Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.

33. Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.

34. Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.

35. Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.

36. Ary nony ren'i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanànan'i Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.

37. Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?

38. Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.

39. Dia nandeha Balama niaraka tamin'i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.

40. Ary Balaka namono omby sy ondry aman'osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.

41. Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.

Nomery 22