Nomery 19:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.

11. Izay mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana.

12. Hanadio ny tenany amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.

13. Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.

14. Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.

Nomery 19