Nomery 16:18-22 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.

19. Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.

20. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

21. Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja.

22. Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra รด, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?

Nomery 16