Nomery 15:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

8. Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drĂ  ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,

9. dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;

10. ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

11. Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.

12. Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.

13. Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.

Nomery 15