26. Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
27. Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.
29. Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.
30. Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
31. Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
32. Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.
33. Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
34. Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
35. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.
36. Dia namoaka azy ho eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.
37. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
38. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny.
39. Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
40. mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo.
41. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.