1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
3. ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drĂ hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
4. izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;