Nomery 14:39-45 Malagasy Bible (MG1865)

39. Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.

40. Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.

41. Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.

42. Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,

43. fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.

44. Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.

45. Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.

Nomery 14