12. Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
13. Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
14. ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
15. Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
16. Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
17. Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
18. Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
19. Mifona aminao aho, mamelĂ ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
20. Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
21. Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
22. ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
23. dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.