1. Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
2. Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!
3. Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
4. Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5. Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
6. Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
7. ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
8. Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
9. Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
10. Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
11. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?