Nomery 13:25-28 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.

26. Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.

27. Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.

28. Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanĂ na dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.

Nomery 13