Nomery 13:18-27 Malagasy Bible (MG1865)

18. dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;

19. ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;

20. ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.

21. Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.

22. Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)

23. Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.

24. Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.

25. Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.

26. Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.

27. Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.

Nomery 13