Nomery 11:13-32 Malagasy Bible (MG1865)

13. Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

14. Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.

15. Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.

16. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.

17. Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

18. Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.

19. Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,

20. fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?

21. Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.

22. Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?

23. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.

24. Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.

25. Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.

26. Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.

27. Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.

28. Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.

29. Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!

30. Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.

31. Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.

32. Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.

Nomery 11