51. Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
52. Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.
53. Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
54. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.