Nomery 1:45-49 Malagasy Bible (MG1865)

45. Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,

46. dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.

47. Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.

48. Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

49. Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;

Nomery 1