Nomery 1:26-34 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

27. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.

28. Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

29. izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.

30. Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

31. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.

32. Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

33. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;

34. ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

Nomery 1