1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2. Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3. dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4. Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5. Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6. ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7. ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8. ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
9. ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10. ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11. ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12. ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13. ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
14. ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
15. ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
16. Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17. Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,