8. Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.
9. Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna.
10. Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
11. Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
12. Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.