8. Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
9. ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
10. ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
11. ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
12. ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
13. ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
14. ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
15. ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
16. ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
17. ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
18. ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;