37. ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
38. ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
39. Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
40. ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
41. ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
42. ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
43. Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
44. Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.