Nehemia 7:29-37 Malagasy Bible (MG1865)

29. ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;

30. ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;

31. ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;

32. ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;

33. ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;

34. ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;

35. ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;

36. ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;

37. ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;

Nehemia 7