27. ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
28. ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
29. ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
30. ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
31. ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
32. ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
33. ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
34. ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;